Revelation 7:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy aho taminy: Tompoko, ianao no mahalala! Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony dia nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka novaliako hoe: –Ianao, tompoko, no mahalala! Dia hoy izy tamiko: –Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ra nafoin’ilay Zanakondry.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy aho taminy: Tompoko, ianao no mahalala! Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony dia nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.
malagasy
Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.