Revelation 7:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana ny fitombo-kasen’Andriamanitra velona. Ary niantso ny anjely efatra izay nasaina hanimba ny tany sy ny ranomasina, tamin’ny feo mahery izy hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nahita Anjely iray hafa koa aho, niakatra avy amin’ny fiposahan’ny masoandro, nitana ny fitombok’Andriamanitra velona, ary niantso mafy an’ireo Anjely efatra nasaina nanimba ny tany aman-dranomasina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hitako nisy anjely iray hafa koa niakatra avy any atsinanana sady nitana ny tombokasen ’ilay Andriamanitra velona. Dia niantso tamin’ny feo mahery an’ireo anjely efatra navela hanimba ny tany aman-dranomasina io anjely io
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana ny fitombo-kasen’Andriamanitra velona. Ary niantso ny anjely efatra izay nasaina hanimba ny tany sy ny ranomasina, tamin’ny feo mahery izy hoe:
malagasy