Revelation 7:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia hitako fa indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena rehetra ary ny samihafa fiteny rehetra. Nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry izy ireo, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tanany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, dia indreo hitako nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny rehetra, niakanjo fotsy lava sy nitana sampan-drofia teny an-tanany. Nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana sy ny Zanakondry ireo,
Malagasy Bible 1865
Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia hitako fa indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena rehetra ary ny samihafa fiteny rehetra. Nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry izy ireo, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tanany,
malagasy