Revelation 8:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitsoka ny anjely fahefatra dia nokapohina ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, mba ho maizina ny ampahatelony ka tsy hazava ny ampahatelon’ny andro ary ho toy izany koa ny alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon’ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon’ny andro, ary toraka izany koa ny alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitsoka trompetra ilay anjely fahefatra, dia niharan-doza ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ireo kintana rehetra, mba tsy hamiratra intsony mandritra ny ampahatelom-potoana famiratany; ka tsy nisy hazavan’ny masoandro intsony nandritra ny ampahatelon’ny antoandro, ary tsy nisy hazavan’ny volana aman-kintana toy izany koa nandritra ny ampahatelon’ny alina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitsoka ny anjely fahefatra dia nokapohina ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, mba ho maizina ny ampahatelony ka tsy hazava ny ampahatelon’ny andro ary ho toy izany koa ny alina.
malagasy
Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!