Revelation 8:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hitako sy reko, nisy voromahery iray nanidina teny afovoan’ny lanitra, izay niteny tamin’ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza no hanjo an’izay monina eny ambonin’ny tany noho ny feon’ny trompetra izay mbola hotsofin’ny anjely telo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanaraka izany dia nijery aho, ary nandre feom-boromahery anankiray nanidina teny afovoan’ny lanitra, niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Loza, loza, loza ho an’izay monina eny ambonin’ny tany, noho ny feon’ny trômpetra telo sisa izay efa hotsofin’ny Anjely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nahita voromahery anankiray nanidina teny afovoan’ny habakabaka aho ary nahare azy niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Loza! Loza! Loza ho an’ireo monina eny ambonin’ny tany noho ny feon’ny trompetra sisa efa hotsofin’ireo anjely telo!»
Malagasy Bible 1865
Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hitako sy reko, nisy voromahery iray nanidina teny afovoan’ny lanitra, izay niteny tamin’ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza no hanjo an’izay monina eny ambonin’ny tany noho ny feon’ny trompetra izay mbola hotsofin’ny anjely telo!
malagasy