Revelation 8:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny anjely dia nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra ary nameno azy tamin’ny afo teo amin’ny alitara ka nanipy izany tamin’ny tany ary nisy kotrokorana, feo, tselatra ary horohoron-tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nalain’ilay Anjely ny fanembohana, nofenoiny afo avy teo ambony ôtely, dia nazerany tamin’ny tany, ka nisy feo aman-kotroka sy tsela-baratra, sady nihorohoro ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary noraisin’ilay anjely ny lovia fandoroana vovo-javamanitra, nofenoiny vainafo mirehitra avy teo amin’ny alitara ka natsipiny ho eny amin’ny tany: dia nisy kotro-baratra sy kotrokorana aman-tselatra ary horohorontany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny anjely dia nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra ary nameno azy tamin’ny afo teo amin’ny alitara ka nanipy izany tamin’ny tany ary nisy kotrokorana, feo, tselatra ary horohoron-tany.
malagasy
Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.