Revelation 9:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin’ny fahitana sy izay nitaingina azy: Manana fiarovan-tratra mena mivaivay sy manga antitra ary mavo toy ny solifara izy; ny lohan’ny soavaly dia tahaka ny lohan’ny liona; misy afo sy setroka ary solifara mivoaka avy amin’ny vavany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, tamin’ny fahitana: nivolon’afo sy hiasinta ary solifara ny fiarovan-tratran’ny mpitaingina azy, nilohan-diona ny lohan’ny soavaly, sady nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, nandritra ny fahitana: ny mpitaingina dia manana fiarovantratra mena toy ny afo sy manga toy ny vatosoa safira ary mavo toy ny solifara; ny soavaly kosa dia tahaka ny lohan-diona ny lohany, ary nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany.
Malagasy Bible 1865
Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny soavaly dia tahaka ny lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin'ny vavany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin’ny fahitana sy izay nitaingina azy: Manana fiarovan-tratra mena mivaivay sy manga antitra ary mavo toy ny solifara izy; ny lohan’ny soavaly dia tahaka ny lohan’ny liona; misy afo sy setroka ary solifara mivoaka avy amin’ny vavany.
malagasy