Revelation 9:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy dia nisy setroka niakatra avy tamin’ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin’ny lafaoro lehibe ka tonga maizina ny masoandro sy ny rivotra noho ny setroka avy tao amin’ny lavaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nosokafany ny lavaka tsy hita noanoa, ka setroka toy ny avy amin’ny memy lehibe no nipololotra avy any; maizin’ny setroka avy any an-davaka terỳ ny masoandro sy ny habakabaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nosokafany ny vavalavak’ilay hantsambe, ka nisy setroka niakatra avy ao tahaka ny setroka avoakan’ny lafaoro lehibe; ary nihamaizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka navoakan’ny vavalavaka.
Malagasy Bible 1865
Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy dia nisy setroka niakatra avy tamin’ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin’ny lafaoro lehibe ka tonga maizina ny masoandro sy ny rivotra noho ny setroka avy tao amin’ny lavaka.
malagasy