Revelation 9:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa ny olona sisa izay tsy matin’ireo loza ireo, dia tsy nibebaka niala tamin’ny asan’ny tanany; tsy nitsahatra nivavaka tamin’ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahita, na mahare, na afa-mamindra, izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nibebaka hiala amin’ny asan-tanany anefa ny olona sisa tsy matin’ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin’ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay tsy mahajery na mahare na afa-mamindra akory;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny olombelona, sisa tsy matin’ireo loza ireo, dia tsy niova toetra hiala tamin’ireo andriamanitra voatran’ny tanany, ka tsy nitsaha-nivavaka tamin’ny demony sy tamin’ny sampy volamena sy volafotsy sy halimo ary vato aman-kazo, sampy izay tsy afaka mijery na mandre na mamindra;
Malagasy Bible 1865
Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa ny olona sisa izay tsy matin’ireo loza ireo, dia tsy nibebaka niala tamin’ny asan’ny tanany; tsy nitsahatra nivavaka tamin’ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahita, na mahare, na afa-mamindra, izy;
malagasy
Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.