Revelation 9:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa tsy navela hahafaty azy izy fa ny hampanaintaina azy dimy volana; ary ny fanaintainana avy aminy dia tahaka ny fanaintainana avy amin’ny maingoka mamely olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy ny hamono azy anefa, fa ny hampanaintaina azy dimy volana no nasaina nataon’izy ireo, ary fanaintainana toy ny an’ny olona kaikerin’ny maingoka no hafitsony azy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tsy navela hahafaty ireo olona ireo ny valala fa ny hampanaintaina azy dimy volana ihany; ary ny fanaintainana nafitsony dia tahaka ny fanaintainana afitsoky ny maingoka rehefa manindrona olona.
Malagasy Bible 1865
Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa tsy navela hahafaty azy izy fa ny hampanaintaina azy dimy volana; ary ny fanaintainana avy aminy dia tahaka ny fanaintainana avy amin’ny maingoka mamely olona.
malagasy
Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.