Revelation 9:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fijery ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana hoenti-miady. Tamin’ny lohany dia nisy satroboninahitra toy ny volamena ary ny tavany dia tahaka ny tavan’olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo valala ireo dia nanahaka ny soavaly vonon-kiady; satroboninahitra toa volamena no teny an-dohany; sahala amin’ny tavan’olona ny tavany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny endrik’ireo valala ireo dia mitovy amin’ny soavaly vonon-kiady; toa satroboninahitra volamena no teny an-dohany ary tahaka ny tavan’olona ny tavany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fijery ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana hoenti-miady. Tamin’ny lohany dia nisy satroboninahitra toy ny volamena ary ny tavany dia tahaka ny tavan’olona.
malagasy
Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.