Romans 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy, fa matetika aho no nikasa hankaty aminareo mba hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ny Jentilisa sasany, saingy azon-tsampona aho hatramin’izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa imbetsaka no saika hankany aminareo aho (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny), mba hijinjako vokatra kely aminareo, toy ny amin’ny Jentily sasany koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tiako ho fantatrareo, ry havana, fa matetika aho no manam-pikasana hankatỳ aminareo, saingy azon-tsampona ihany hatramin’izao. Te hahazo voka-tsoa eto aminareo koa manko aho toy ny tany amin’ny firenena sasany.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy, fa matetika aho no nikasa hankaty aminareo mba hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ny Jentilisa* sasany, saingy azon-tsampona aho hatramin’izao.
malagasy
Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.