Romans 1:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona izay mangeja ny marina amin’ny tsy fahamarinana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa anehoan’Andriamanitra ny fahatezerany avy any an-danitra ny olona, satria tsy manaja an’Andriamanitra ary manao ny tsy rariny amin’ny namana; ka noho ny asa ratsin’ny olona, dia voasarona ilay Andriamanitra tena Izy.
Malagasy Bible 1865
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona izay mangeja ny marina amin’ny tsy fahamarinana;
malagasy
[Ny amin'ny faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,