Romans 1:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin’ny nahariany an’izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny olona.
Malagasy Bible 1865
Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo.
malagasy
Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo; [ Na: Mba tsy hanan-kalahatra]