Romans 1:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
toy izany koa ny lehilahy, namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy; nifanao izay mahamenatra izy ireo ka nandray tao amin’ny tenany ihany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
toraka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
toy izany koa ny lehilahy ao aminy dia mandao ny fanao amin’ny vadiny, ary manjary maimay mifampila samy lehilahy sady mifanala baràka tena, hany ka mandray ny sazy mendrika ny hadalàny.
Malagasy Bible 1865
ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
toy izany koa ny lehilahy, namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy; nifanao izay mahamenatra izy ireo ka nandray tao amin’ny tenany ihany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
malagasy