Romans 1:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary araka ny niheverany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika ka hanaovany izay zavatra tsy fanao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataon’ny olona ho tsinontsinona ny mahalala an’Andriamanitra, ka izany no nanoloran’Andriamanitra azy hoentin’ny sainy mibirioka, mba ho voatarika hanao ny tsy tokony hatao:
Malagasy Bible 1865
Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary araka ny niheverany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika ka hanaovany izay zavatra tsy fanao;
malagasy