Romans 1:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’Andriamanitra hoe: Izay manao izany zavatra izany dia mendrika ho faty; nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao izany kosa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mendrika ho faty ny olona manao ny asa toy ireny: didim-pitsarana navoakan’Andriamanitra izany, ary fantatr’izy ireo tsara. Nefa izy ireo dia mbola manao ihany, ary izay manao koa ankasitrahiny.
Malagasy Bible 1865
dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’Andriamanitra hoe: Izay manao izany zavatra izany dia mendrika ho faty; nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao izany kosa.
malagasy
dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.