Romans 1:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra, araka ny Fanahy Masina tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty, dia Jesosy Kristy Tompontsika,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan’ny maty, araka ny fanahin’ny fahamasinana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
araka ny Fanahy Masina kosa, dia naharihary tamin-kery fa Zanak’Andriamanitra fony Izy tafatsangana velona avy tany amin’ny maty.
Malagasy Bible 1865
ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra, araka ny Fanahy Masina tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty, dia Jesosy Kristy Tompontsika,
malagasy
ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [ Na: notendrena] [ Na: naseho ho Zanak'Andriamanitra mahery]