Romans 10:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny Filazantsara. Fa hoy Isaia: «TOMPO ô, iza no nino izay henony taminay?» (Isa 53.1).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely, araka ny tenin’i Izaia hoe: «Tompo ô, iza no nino ny teny notorinay?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy àry nanaiky ny Vaovao Mahafaly avokoa anefa ny olona rehetra, fa hoy i Isaià hoe: «Tompo ô, iza no nino ny hafatra nambaranay?»
Malagasy Bible 1865
Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny Filazantsara. Fa hoy Isaia: «TOMPO ô, iza no nino izay henony taminay?» (Isa 53.1).
malagasy
Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)