Romans 10:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy aho: Sao tsy nahare izy? Tsia, «Efa nivoaka ho any amin’ny tany manontolo ny feony ary ny teniny dia hatramin’ny faran’izao rehetra izao» (Sal 19.4).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy izaho: Sao dia tsy nandre izy ireo? Tsy izany akory; lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin’ny faravazantany ny teniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa manontany aho hoe: Sao tsy nandre ny hafatra ny olona? Nandre tokoa izy rehetra, fa izao no tenin’ny Soratra Masina: «Lasa nanerana ny tany tontolo ny feon’ireo mpitory, ary nipaka hatrany amin’ny faran’ny tany ny teniny!»
Malagasy Bible 1865
Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy aho: Sao tsy nahare izy? Tsia, «Efa nivoaka ho any amin’ny tany manontolo ny feony ary ny teniny dia hatramin’ny faran’izao rehetra izao» (Sal 19.4).
malagasy
Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4). [ Na: filazantsara]