Romans 10:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy aho: Sao tsy nahalala ary ny Israely? I Mosesy no voalohany niteny hoe: «Hampialona anareo an’izay tsy firenena Aho, amin’izay firenena adala no hampahasosorako anareo» (Deo 32.21).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy indray aho: Sao tsy nahalala kosa i Israely? Ehe, i Môizy ihany no voalohany nanoratra hoe: Hataoko velom-pialonana an’izay tsy firenena akory ianareo; ary hataoko entin-katezerana amin’ny firenena tsy misy saina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia mbola nanontany aho hoe: Sao tsy azon’ny vahoaka Israely ny filazana? Valin’izany, dia i Mosesy aloha no milaza hoe: «Hataoko velom-pialonana an’izay tsy firenena ianareo, hoy Andriamanitra; ary hataoko mirehi-pahatezerana amin’izay firenena tsy manan-tsaina!»
Malagasy Bible 1865
Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy aho: Sao tsy nahalala ary ny Israely? I Mosesy no voalohany niteny hoe: «Hampialona anareo an’izay tsy firenena Aho, amin’izay firenena adala no hampahasosorako anareo» (Deo 32.21).
malagasy
Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).