Romans 10:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny amin’ny Israely dia hoy izy: «Mandritra ny andro no efa nanatsorako ny tanako tamin’izay firenena sady tsy mankatò no mandà» (Isa 65.1-2).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy kosa Izy nony milaza ny amin’i Israely: Naninjitra ny tanako isan’andro amin’ny firenena tsy mino sy mpikomy Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny amin’i Israely kosa dia hoy i Isaià hoe: «Tontolo andro no nanolorako tanana izay vahoaka sady tsy manaiky no mikomy.»
Malagasy Bible 1865
Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny amin’ny Israely dia hoy izy: «Mandritra ny andro no efa nanatsorako ny tanako tamin’izay firenena sady tsy mankatò no mandà» (Isa 65.1-2).
malagasy
Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).