Romans 11:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka haniry teo aminy ka mba niombona tamin’ny fototra sy ny menaky ny hazo oliva,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha saingy notapahina ny rantsana sasany, ka ianao izay toy ny hazo ôliva naniry ho azy no natsofoka hisolo ireny, sy tonga miombona amin’ny fototra mbamin’ny ranon’ny fototr’ôliva,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vahoaka Israely dia toy ny hazo ôliva voakolokolo, izay nanesorana rantsana sasantsasany. Fa ianao hafa firenena kosa dia toy ny rantsan’ny hazo ôliva dia, izay natao grefy amin’ny hazo ôliva voakolokolo, ho solon’ireo rantsana nesorina ireo; ary manjary iombonanao ilay fototra feno tsiron-tany ao amin’ny hazo ôliva voakolokolo.
Malagasy Bible 1865
Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky ny hazo oliva
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka haniry teo aminy ka mba niombona tamin’ny fototra sy ny menaky ny hazo oliva,
malagasy
Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky ny hazo oliva [ Na: (fakany sy ny menaky)]