Romans 11:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hevero fa mora fanahy Andriamanitra nefa hentitra: Amin’izay lavo dia hentitra Izy; fa aminao kosa dia mora fanahy Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa fantaro àry fa sady mora fo Andriamanitra no saro-po koa: saro-po amin’izay lavo izy, fa mora fo aminao kosa, raha maharitra amin’ny hamoram-pony ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jereo àry fa sady mora fo Andriamanitra no sarotiny: sarotiny amin’izay lavo Izy, fa mora fo aminao kosa raha mitoetra ao amin’ny hamoram-pony ianao; fa raha tsy mitoetra ao ianao, dia hoesorina koa.
Malagasy Bible 1865
Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hevero fa mora fanahy Andriamanitra nefa hentitra: Amin’izay lavo dia hentitra Izy; fa aminao kosa dia mora fanahy Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
malagasy