Romans 11:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha notapahina tamin’ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka haniry amin’ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, manoatra noho izany no hanatsofohana indray izay tena sampany amin’ny hazo oliva nanapahana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianao tsy tena rantsany aza, fa nalaina tamin’ny fototr’ôliva naniry ho azy, azo natsofoka amin’ny fototr’ôliva tsara, ka mainka ny tena rantsany no ho azo atsofoka amin’ny fototr’ôliva nanapahana azy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, raha ianao hafa firenena aza, nesorina tamin’ny hazo ôliva dia, ka natao grefy amin’ny hazo ôliva voakolokolo izay tsy nipoiranao; mainka fa ireo Jiosy, tena rantsan’ilay hazo ôliva voakolokolo, no hatao grefy indray amin’ny hazo ôliva nipoirany.
Malagasy Bible 1865
Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy.