Romans 11:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izao zavamiafina izao, ry rahalahy, fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo: Misy fahamafisam-po manjo ny Israely sasany mandra-pahatafiditry ny Jentilisa rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry, dia tsy tiako tsy ho fantatrao, ry hava-malala, izao zava-miafina izao: nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely, mandra-piditry ny hafenoan’ny Jentily.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao tsiambaratelo izao, ry havako, dia tiako ho fantatrareo tokoa, fandrao hihevi-tena ho hendry ianareo: misy mafy fo ny sasany amin’ny vahoaka Israely, mandrapiditry ny hafa firenena rehetra amin’ny famonjena.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izao zavamiafina izao, ry rahalahy, fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo: Misy fahamafisam-po manjo ny Israely sasany mandra-pahatafiditry ny Jentilisa* rehetra.
malagasy
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;