Romans 13:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
satria mpanompon’Andriamanitra hahatsara anao izy. Fa raha ratsy kosa ny ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, mpamaly hampihatra fahatezerana amin’izay manao ny ratsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria lefitr’Andriamanitra amin’ny fanasoavana anao izy. Fa raha ny ratsy kosa no ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana ny sabatra, fa entiny hitezitra sy hamaly izay manao ratsy amin’ny maha-lefitr’Andriamanitra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria mpanompon’Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon’Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran’Andriamanitra izy amin’ny fanasaziana ny mpanao ratsy.
Malagasy Bible 1865
fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
satria mpanompon’Andriamanitra hahatsara anao izy. Fa raha ratsy kosa ny ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, mpamaly hampihatra fahatezerana amin’izay manao ny ratsy.
malagasy