Romans 13:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aloavy amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: Vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, haba ho an’izay tokony handoavana haba, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ataovy amin’izy rehetra àry izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, ary haja ho an’izay tokony hohajaina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aloavy amin’ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin’izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin’izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina.
Malagasy Bible 1865
Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aloavy amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: Vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, haba ho an’izay tokony handoavana haba, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina.
malagasy