Romans 14:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mampalahelo ny rahalahinao ny zavatra fihinanao dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny zavatra haninao no animbanao azy, fa efa maty hamonjy azy Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha noho ny fihinananao no mampalahelo ny mpiray finoana aminao, dia tsy mandeha araka ny fitiavana intsony ianao, ka aza dia ny fihinananao no amerezanao olona nahafoizan’i Kristy aina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha miteraka alahelo ho an’ny namanao ny fihinananao zavatra, dia tsy mizotra araka ny fitiavana intsony ianao. Aza simbànao amin’ny fihinananao zavatra ilay namanao fa efa maty i Kristy ho famonjena azy.
Malagasy Bible 1865
Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mampalahelo ny rahalahinao ny zavatra fihinanao dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny zavatra haninao no animbanao azy, fa efa maty hamonjy azy Kristy*.
malagasy
Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.