Romans 14:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny iray dia manao ny andro iray ho mihoatra noho ny andro sasany ary ny iray kosa dia manao ny andro rehetra ho mitovy. Aoka samy ho resy lahatra ao an-tsainy avy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny anankiray manisy avaka ny andro, ny anankiray kosa mampitovy ny andro rehetra; samia mitoky amin’ny azy tsy amim-pisalasalana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misy indray manavakavaka ny andro, misy kosa manao ny andro rehetra ho mitovy: aoka samy hatoky tsara ny ao amin’ny sainy avy.
Malagasy Bible 1865
Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny iray dia manao ny andro iray ho mihoatra noho ny andro sasany ary ny iray kosa dia manao ny andro rehetra ho mitovy. Aoka samy ho resy lahatra ao an-tsainy avy izy.
malagasy
Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.