Romans 15:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba ho mpanompon’i Kristy Jesosy ho an’ny Jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana ho an’ny Filazantsaran’Andriamanitra, mba horaisina amin’ny fankasitrahana ny Jentilisa, ho fanatitra nohamasinin’ny Fanahy Masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny Jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahiny ny Jentily, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa izaho dia natokan’Andriamanitra ho mpanompon’i Kristy Jesoa eo amin’ny hafa firenena. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin’ny itoriako ny Vaovao mahafaly avy amin’Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan’ny Fanahy Masina.
Malagasy Bible 1865
mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba ho mpanompon’i Kristy* Jesosy ho an’ny Jentilisa* aho ka manao fanompoam-pivavahana ho an’ny Filazantsaran’Andriamanitra, mba horaisina amin’ny fankasitrahana ny Jentilisa, ho fanatitra nohamasinin’ny Fanahy Masina.
malagasy
mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.