Romans 15:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
noho ny herin’ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Noho izany dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilirikiona no nahatanterahako ny fitoriako ny Filazantsaran’i Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin’ny Fanahy Masina; hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tamin’ny herin’ny famantarana sy zava-mahagaga ary tamin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Hany ka feno tokoa ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy, hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany amin’ny faritany Iliria.
Malagasy Bible 1865
dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
noho ny herin’ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Noho izany dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilirikiona no nahatanterahako ny fitoriako ny Filazantsaran’i Kristy.
malagasy
dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [ Na: (Fanahin'Andriamanitra)]