Romans 15:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa nataoko ho voninahitro ny hitory ny Filazantsara, tsy eo amin’izay efa niantsoana an’i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’izay efa naorin’ny sasany aho,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sady nalaiko ho voninahitra ho ahy ny tsy nitory ny Evanjely afa-tsy tao amin’izay mbola tsy nanononana an’i Kristy, mba tsy hanorina amin’izay efa nanorenan’ny sasany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tamin’izany, dia nataoko ho voninahitra ny mitory ny Vaovao Mahafaly tamin’izay toerana tsy mbola nandrenesan’olona ny momba an’i Kristy; fa tsy tiako ny hanorina eo amin’ny fototra nataon’ny sasany,
Malagasy Bible 1865
Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa nataoko ho voninahitro ny hitory ny Filazantsara, tsy eo amin’izay efa niantsoana an’i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’izay efa naorin’ny sasany aho,
malagasy
Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;