Romans 15:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
rehefa mankany Espaina; koa manantena hahita anareo aho amin’ny fandalovako ka ho vatsinareo ny diako mankany rehefa avy nifaly vetivety tamin’ny fiarahana taminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia manantena hahita anareo aho, rehefa mandalo ho any Espainina, ka hiara-mipetraka kelikely aminareo, fa rehefa afakafaka ny alaheloko no vao haterinareo any.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa manantena aho fa amin’ny diako hankany Espaina, dia handalo eo aminareo ka hahita anareo; ary dia hampianareo ho any amin’io tany io, rehefa fenofeno ny hafaliako aminareo.
Malagasy Bible 1865
raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
rehefa mankany Espaina; koa manantena hahita anareo aho amin’ny fandalovako ka ho vatsinareo ny diako mankany rehefa avy nifaly vetivety tamin’ny fiarahana taminareo.
malagasy
raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.