Romans 15:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hankalazan’ny Jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindrampo, araka ny voasoratra hoe: «Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentilisa sy hihirako ny anaranao» (Sal 18.49).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny Jentily kosa dia mankalaza an’Andriamanitra noho ny famindram-pony, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentily, sy hankalazako ny Anaranao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izany koa dia mba hahazoan’ny hafa firenena manome voninahitra an’Andriamanitra noho ny famindrampony, araka izay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Izany no hiderako Anao any amin’ny hafa firenena sy hihirako ho voninahitry ny anaranao.»
Malagasy Bible 1865
mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hankalazan’ny Jentilisa* an’Andriamanitra koa noho ny famindrampo, araka ny voasoratra hoe: «Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentilisa sy hihirako ny anaranao» (Sal 18.49).
malagasy
mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).