Romans 16:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho an’Izay mahay mampahery anareo araka ny Filazantsara toriko, dia ny fanambarana an’i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zavamiafina, izay voafina hatry ny fony fahagola,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an’i Jesoa Kristy sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay mampahery anareo araka ny Vaovao Mahafaly ambarako, araka ny hafatra torîko momba an’i Jesoa Kristy, araka ny fanehoana tamiko ny tsiambaratelo takona hatrizay tao amin’Izy Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho an’Izay mahay mampahery anareo araka ny Filazantsara toriko, dia ny fanambarana an’i Jesosy Kristy*, araka ny fampisehoana ny zavamiafina, izay voafina hatry ny fony fahagola,
malagasy
Ary ho an'izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola,