Romans 16:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa efa aseho ankehitriny tamin’izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay ka nampahafantarina any amin’ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany, araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay; ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin’ny alalan’ny soratr’ireo mpaminany, araka ny didin’ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an’i Kristy.
Malagasy Bible 1865
ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa efa aseho ankehitriny tamin’izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay ka nampahafantarina any amin’ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,
malagasy
fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.