Romans 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa amin’izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ry olona, na iza na iza ianao no mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany koa ianao, ry olona, na zovy na zovy ianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra ianao; fa amin’ny fitsarànao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa ianao, satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia tsy afa-tsiny ianao, ry olona izay manameloka ny hafa, na iza na iza ianao. Eo am-panamelohana ny hafa no anamelohanao ny tenanao, satria izay ataon’ireo melohinao, ataon’ny tenanao koa.
Malagasy Bible 1865
Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa amin’izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ry olona, na iza na iza ianao no mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
malagasy
[Ny amin'ny tsi-fahamarinan'ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin'ny lalàna] Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [ Gr. olona]