Romans 2:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy hotsarain’ny tsy voafora izay mankatò ny lalàna va ianao izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny, fa raha ny olona tsy nifora hatrizay niainany no mahatanteraka ny Lalàna, dia hanameloka anao izy, fa manana ny Soratra Masina sy ny famorana ianao, nefa mandika ny Lalàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ilay tsy voafora ara-nofo, nefa manatanteraka ny lalàna, no hanameloka anao izay manana ny lalàna voasoratra sy ny famorana nefa mandika ny lalàna.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy hotsarain’ny tsy voafora izay mankatò ny lalàna va ianao izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza?
malagasy
Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?