Romans 2:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa izay ao amin’ny miafina no maha Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy fa tsy amin’ny soratra; koa ireny dia tsy mandray dera avy amin’ny olombelona fa avy amin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ny Jody ao anatiny sy ny famorana ny fo no tena izy: dia ny araka ny fanahy, fa tsy araka ny soratra; ary ny toy izany no mahazo dera, tsy amin’olombelona, fa amin’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa ny ao anaty no tena maha Jiosy, ary izay voafora ao am-po no tena voafora noho ny asan’ny Fanahy Masina fa tsy noho ny asan’ny lalàna voasoratra: ka tsy mba olona no midera azy, fa Andriamanitra mihitsy.
Malagasy Bible 1865
fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa izay ao amin’ny miafina no maha Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy fa tsy amin’ny soratra; koa ireny dia tsy mandray dera avy amin’ny olombelona fa avy amin’Andriamanitra.
malagasy
fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.