Romans 3:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy no natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampiononam-pahatezerana tamin’ny rany, amin’ny finoana, mba hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namaliany ny fahotana lasa
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa notendren’Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an’ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan’ny olombelona fahiny dia noleferin’Andriamanitra
Malagasy Bible 1865
Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy no natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampiononam-pahatezerana tamin’ny rany, amin’ny finoana, mba hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namaliany ny fahotana lasa
malagasy
Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, [ Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana]