Romans 3:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ekena ho marina fa ny olona rehetra kosa dia ho mpandainga, araka ny voasoratra hoe: «Mba ho hita ho marina amin’ny teninao Ianao ary hahery, raha tsaraina» (Sal 51.4).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa Andriamanitra tsy maintsy ho marina, na dia mpandainga aza ny olona rehetra araka ny Soratra Masina hoe: «Mba ho marina ianao raha miteny, ary tsy hanan-tsiny raha mitsara».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sanatria! Fa tsy maintsy azo antoka Andriamanitra na dia mpandainga avokoa aza ny olona, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Hoekena ho marina Ianao raha miteny, ary handresy lahatra raha alaina am-bava!»
Malagasy Bible 1865
Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady (Sal. 51. 4).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ekena ho marina fa ny olona rehetra kosa dia ho mpandainga, araka ny voasoratra hoe: «Mba ho hita ho marina amin’ny teninao Ianao ary hahery, raha tsaraina» (Sal 51.4).
malagasy
Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady (Sal. 51. 4). [Na: tsaraina]