Romans 3:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, inona ary no holazaintsika? Tsy marina va Andriamanitra raha mampihatra ny fahatezerany? Miteny araka ny fanaon’ny olona aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, ahoana àry no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra raha manampatra ny fahatezerany amintsika? (miteny araka ny fanaon’ny olona aho).
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha asehon’ny tsy rariny vitantsika fa marina Andriamanitra, inona no holazaintsika? Zavatra tsy rariny ve ny ataon’Andriamanitra raha ampihariny amintsika ny hatezerany? (Araka ny fiheveran’ny besinimaro no itenenako).
Malagasy Bible 1865
Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho -
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, inona ary no holazaintsika? Tsy marina va Andriamanitra raha mampihatra ny fahatezerany? Miteny araka ny fanaon’ny olona aho.
malagasy