Romans 4:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandray ny famantarana amin’ny famorana izy, toy ny tombo-kasen’ny fahamarinana amin’ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’izay rehetra mino izy na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ireny koa ny fahamarinana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa famantarana ny famorana, ka dia noraisiny tatỳ aoriana, mba ho tombokasen’ny fahamarinana azony noho ny finoana, fony izy mbola tsy voafora, mba ho rain’ny mpino rehetra izy, na dia ny tsy voafora aza, ka dia hotanana ho azy ireny koa ny fahamarinana;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa ny famorana dia famantarana noraisin’i Abrahama tatỳ aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken’Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain’izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken’Andriamanitra ho marina;
Malagasy Bible 1865
Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandray ny famantarana amin’ny famorana izy, toy ny tombo-kasen’ny fahamarinana amin’ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’izay rehetra mino izy na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ireny koa ny fahamarinana.
malagasy