Romans 4:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
araka ny voasoratra hoe: «Nataoko rain’ny firenena maro ianao» (Gen 17.5). Raintsika izy eo anatrehan’Izay ninoany: Andriamanitra izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy ho misy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
araka ny voasoratra hoe: Natsangako ho rain’ny firenena maro ianao, eo anatrehan’izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho.» Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan’ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy.
Malagasy Bible 1865
araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
araka ny voasoratra hoe: «Nataoko rain’ny firenena maro ianao» (Gen 17.5). Raintsika izy eo anatrehan’Izay ninoany: Andriamanitra izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy ho misy.
malagasy
araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.