Romans 4:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mba nalemy finoana izy na dia nihevitra ny tenany ho efa toy ny maty aza, satria efa tokony ho zato taona izy, toy izany koa ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sady tsy mba nalemy finoana izy, fa tsy noheveriny akory ity tenany efa hoatra ny maty (efa tokony ho zato taona izy fahizany) sy izato kibon’i Sarà efa ritra aina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nalemy finoana i Abrahama raha nandinika ny tenany izay naman’ny maty, fa efa tokony ho zato taona izy tamin’izay, ary koa raha nandinika an’i Sarà vadiny, izay tsy afa-niteraka intsony.
Malagasy Bible 1865
Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mba nalemy finoana izy na dia nihevitra ny tenany ho efa toy ny maty aza, satria efa tokony ho zato taona izy, toy izany koa ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha.
malagasy
Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha,