Romans 4:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ho an’izay tsy miasa kosa nefa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary amin’izay tsy miasa, fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay tsy manao asa nefa mino an’ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran’Andriamanitra azy ho marina.
Malagasy Bible 1865
Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ho an’izay tsy miasa kosa nefa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
malagasy
Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.