Romans 4:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izany fahasambarana izany, moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa? Satria lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’i Abrahama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izany hasambarana izany ve, an’ny voafora ihany, sa an’ny tsy voafora koa?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho an’iza moa izany fahasambarana izany? Ho an’ny voafora ve sa ho an’ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan’Andriamanitra an’i Abrahama ho marina.»
Malagasy Bible 1865
Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izany fahasambarana izany, moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa? Satria lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’i Abrahama.
malagasy
Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.