Romans 5:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezana ny fahasoavana. Satria raha ny fahadisoan’ny iray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, manoatra noho izany kosa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezany be dia be, maimaimpoana, ho an’ny maro amin’ny alalan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tsy azo ampitahaina ny hadisoana vitan’i Adama sy ny fanomezana atolotr’Andriamanitra maimaimpoana. Niharan’ny fahafatesana ny besinimaro, noho ny hadisoan’ny olona anankiray, dia i Adama; nitosaka be nihoatra lavitra noho izany kosa ilay fahasoavana avy amin’Andriamanitra, ilay fahasoavana nomena maimaimpoana ho an’ny besinimaro tao tamin’ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy.
Malagasy Bible 1865
Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezana ny fahasoavana. Satria raha ny fahadisoan’ny iray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, manoatra noho izany kosa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezany be dia be, maimaimpoana, ho an’ny maro amin’ny alalan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy*.
malagasy
Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa.