Romans 6:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ny zavatra anisan’ny tenanareo tsy hatolotrareo ny fahotana mba ho fiasana hoentiny hanao ny ratsy. Fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo toy ny olona efa maty no velona indray, ary atolory an’Andriamanitra ireo zavatra anisan’ny tenanareo mba ho fiasana hoentiny hanao ny marina.
Malagasy Bible 1865
ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian 'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian 'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
malagasy
ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [ Na: fiasan'] [ Na: fiasan']